• 9 août 2022

95% ny asa fanamboarana ny lalam-pirenena faha-5A mampitohy an’i Vohémar sy Ambilobe no vita amin’izao. Tonga nijery ny famaranana ny asa ny minisitry ny Asa Vaventy niaraka tamin’ny orinasa mpanamboatra ny lalana androany maraina izay tafiditra amin’ny fiomanana ny fitokanana ny zava-bita.

« Mifanaraka tanteraka amin’ny politika napetrakin’ny minisitera amin’ny fanaovana lalana tara 5 sentimetatra farafahakeliny ny hatevinymba ahazaka ireo karazam-piarakodia mifanaraka amin’ny lalàna misy eto Madagasikara ny fenitra ny amin’ny fanamboarana ny lalana » hoy ny minisitra nandritra ny fidinany ifotony ary  nohamafisiny fa « tsara sady mateza iny lalam-pirenena iny ».

Nanontrona ny fitsidihan’ny minisitra ny filoha lefitry ny Antenimieram-pirenena misahana ny faritany Antsiranana Ramatoa RAHELIHANTA Jocelyne Maxime niaraka tamin’ireo mpitondra sy solotenam-panjakana tao Vohémar.

Partagez :
Mahandry