Ady amin’ny kolikoly : manomboka eny an-tsekoly

  • 25 août 2021

Ny fahatsapana fa efa lalim-paka eo amin’ny fiarahamonina malagasy ny fanaovana kolikoly no antony nanosika ireo mpisehatra amin’ny ady amin’izany, hanao hetsika hiadiana amin’ny kolikoly amin’ny endriny vaovao . Nosafidiana araka izany ny sehatry ny fanabeazana, amin’ny maha fototra azy, ka any « andoharano » no hanombohana azy. Beazina sy ampahafantarina ny tontolon’ny kolikoly ny ankizy; zotra iray nosafidian’ireo mpiantsehatra sy mpanentana ny hetsika mba hahatonga azy ireo ho olom-banona aoriana. Heverin’ny mpikarakara ny hetsika fa raha vontom-pahalalàna mikasika ny ady amin’ny kolikoly dieny eo amboalohany ny ankizy dia hahay mandray andraikitra. Andrasana amin’izy ireo ny ho sahy hanohitra sy hitoroka ny trangana kolikoly. Nialoha ny hetsika dia Lisea sy Oniversitea miankina sy tsy miankina eto amin’ny faritra Analamanga miisa 40 no efa nanaovana fidinana ifotony. Ho tohin’izany, ny fitsongana ireo mpianatra vonona handray anjara an-tsitrapo amina hetsika fampivondronana hitondrana lalindalina kokoa ny tontolon’ny ady amin’ny kolikoly ka antsoina hoe « master class ». Ireo mpianatra no mandray anjara amin’izany. Ny Commission Nationale de l’UNESCO pour Madagascar (UNESCO Com Nat Mada) no nitarika ny hetsika izay nanasàna manam-pahaizana manokana avy amin’ireo mpiantsehatra mivantana amin’ny ady amin’ny kolikoly toy ny birao mahaleo tena misahana ny ady amin’ny kolikoly sy ny Transparency international. Izy ireo no nitarika ny fizarana sy ny fanabeazana. Endrika kolikoly maro hita eny anivon’ny asam-panjakana no nampahafantarina azy ireo nandritra ny fampivondronana izay nizotra in-telo miantoana. Anisan’ny hafatra nivohitra ny hoe sahia misintona lakolosy, mitoroka ary manohitra ny kolikoly. Anisan’ny soson-kevitra nisongadina avy amin’ireo mpianatra kosa ny mba hampidirana ny ady amin’ny kolikoly eo anivon’ny fandaharam-pianarana.

Partagez :
Mahandry