A la une

Ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo : hanampy ny fitondrana malagasy ny Eglizy Katolika

Ho fiaraha-miasan’ny eglizy Katolika sy ny Governemanta malagasy dia mifanome tànana ny roa tonta ho fitadiavam-bahaolana momba ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo eto Madagasikara

Niompana tamin’ny vina ho amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara ny dinika, fa indrindra ny fanamafisana ny fiarahamiasan’ny Eglizy Katolika sy ny Governemanta malagasy, ka anisan’izany ny sehatry ny fanabeazana, ny fahasalamana, ny fambolena ary ny fahavitan-tena ara-tsakafo, araka ny fampitam-baovao avy amin’ny Fiadidiana ny Repoblika izay mitatitra ny fihaonana, omaly teo amin’ny filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina sy ny delegasiona notarihin’ny Kardinaly Piat avy ao amin’ny Nosy Maorisy, ny Mgr Paolo Rocco Gualtieri, Nonce Apostolique sy ny filohan’ny fivondronamben’ny Eveka eto Madagasikara, ny Evekan’i Morondava Mgr Fabien Raharilamboniaina.

 

Ny Kardinaly Piat moa dia nametraka ho laharam-pahamehana ny haha-sompitry ny ranomasimbe indiana an’i Madagasikara, raha ny fanampim-baovao hatrany. Ny Governemanta sy ny Eglizy Katolika dia hifanome tànana ho amin’ny fitadiavana vahaolana ho an’i Madagasikara ao anatin’ny ady amin’ny tsy fanjarian-tsakafo sy ny fanatrarana ny fahaleovantena ara-tsakafo.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer