A la une

BEPC : nitombo 1,76 % ny taham-pahafahana tamin’ity taona ity

56,42% ny tahampahafahana fanadinana BEPC tamin’ity taona 2022 raha ny voka-panadinana avy amin’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena. Nisy fiakarana 1,76 isan-jato ny vokatra raha hoarina tamin’ny taon-dasa izay 54,66%.

Raha tsiahivina, notanterahana ny 4 jolay hatramin’ny 7 jolay ny fanadinana BEPC. Mpiadina miisa 315.514 no niatrika izany manerana an’i Madagasikara. Nilamina ny fanatontosana izany fanadinana izany tamin’ny ankapobeny na dia teo aza ireo olana madinidinika nahazo ireo mpiadina izay efa samy nahitana vahaolana mifandraikitra tamin’izany ary tamin’ny fotoanany avokoa raha ny fampitam-baovao.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer