Culture

CUA – CAM : an-jatony ireo hahazo fampianarana hira sy mozika maimaimpoana

Nosantarina tamin’ny fampianarana ny tekinika famoahana feo sy paikady enti-mihira, tetsy amin’ny Tranompokonolona Analakely androany ny Atrikasan’ny Mozika (Atelier de musique) karakarain’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, amin’ny alalan’ny Sampan-draharana misahana ny Haikanto sy Kolontsaina ary Fiainam-piarahamonina, iaraha-miasa amin’ny Centre Académique de Musique Ramaheefason (CAM).

Atrikasa misokatra  ho an’ny daholo be, natao hanampiana amin’ny fifehezana ny fitendrena zava-maneno sy fihirana, hahafahan’ny tsirairay mivelatra amin’ny fanehoan-kevitra sy fifanabeazana amin’ny alalan’ny hira. Tsy voatery hiantoka ny fidiran’ny tsirairay amin’ny sehatra matihanina sy hanao ho fototr’asa ny mozika izany saingy hanampy kosa amin’ny maha fitaovana ahafahana manitsy lalana ny   tanora  sy mampivelatra  ny olom-pirenena ny mozika.

Manodidina amin’ny zato hatramin’izao ny efa nisoratra anarana. Ao amin’ny Tranompokonolona Analakely ny  toerana  anaovana ny Atrikasa. Hatao misesy ao avokoa ireo taranja telo, toy ny Hira (03 – 05 aogositra, 24 – 26 aogositra), “Piano Sax” (10 – 12 aogositra, 31 aogositra – 02 septambra), Gitara (17 – 19 aogositra, 07 – 09 septambra). Any amin’ny faha 11 septambra 2021 no hanomezana ny Fanamarinam-piofanana ho an’ireo mahatozo hatramin’ny farany.

Marihina fa  tamin’ny taona 2020 no nijoroan’ny CAM Ramahefason, ary efa  manana traikefa  tokoa amin’ny tontolon’ny mozika.

Articles similaires

Fermer