A la une

Fiakaran’ny saran-dalana ho 600 ariary : misy mampihatra, misy tsy mapihatra

Tsy ny mpitatitra rehetra no nampiakatra ny saran-dalana ho 600 ariary, araka ny fanapahan-kevitra noraisin’ny koperativa sy ny fanjakana omaly hariva. Mbola mitazona izany ho 500 ariary ny mpitatitra sasany toy ny 119, mampitohy an’Ankatso sy 67Ha.
Araka ny fanambarana nataon’ny mpitatitra sy ny minisiteran’ny Fitaterana omaly hariva dia tokony miakatra 600 ariary ny saran-dalana eto Andrenivohitra, ary miakatra 20% koa ny saran-dalàna ho an’ireo zotra manodidina an’Antananarivo.
« Nanao ezaka lehibe ny fitondram-panjakana » amin’ny vidin-tsolika sy ny saran-dalana araka ny fanambarana natoan’ny Filoha Rajoelina Andry, izay nihaona tamin’ireo mpitatitra ireo omaly hariva teny Ambohitsirohitra, ary nahatongavana tamin’izao fampiakarana saran-dalana amin’ny tokony ho zakan’ny maro izao.
Mitondra fanampiana ho an’ny mpitatitra ny fanjakana amin’izany. Nefa, tsy haharitra ela io saran-dalana 600 ariary io satria, hiovaova araka ny fiakaran’ny vidin-tsolika izany. Ho an’Antananarivo dia ezahina ny hitazomana azy io hatramin’ny faran’ny taona hoy ny filoha Rajoelina Andry.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer