A la une

Fiakaran’ny vidin-tsolika : tsy maintsy hampilaza mialoha ny daty sy ny vidiny ny Fanjakana

Niantso ny fahefana mpanatanteraka hampiomana bebe kokoa ny vahoaka amin’ny fiatrehana ny fiakatry ny vidin-tsolika, amin’ny alalan’ny fanatevenana ny serasera mangarahara ny filohan’ny Antenimierampirenena, Christine Razanamahasoa, tamin’ny lahateniny nandritra ny famaranana ny fotoam-pivoriana ara-potoana voalohan’ity Andrimpanjakana ity teny Tsimbazaza androany 1 jolay 2022. Ny solombavambahoaka, koa hoy izy dia, vonona hiserasera sy hampiomana ny vahoakany, satria, iaraha-mahalala fa tsy azo ihodivirana io krizy hatrehina io noho ny ady any Ukraine, ary tsy eto Madagasikara ihany fa maneran-tany.

Tsy maintsy hanome daty mazava tsara ho an’ny vahoaka ny Fitondram-panjakana rehefa ho avy io fiakarana io, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina sady mpitondra tenin’ny Governemanta, Lalatiana Andriatongarivo, tao anatin’ny fandaharana Tsy ho tompon-trano mihono androany. Mbola tsy misy hatramin’izao ny daty voatondro na vidin-tsolika vaovao hampiharina. Mbola mitohy ny fifampiresaha amin’ny Mpitondra sy ny kompania mpaninjara solika. Izay fampiakarana kely indrina azo atao no kendren’ny fitondram-panjakana, mba ho fitsinjovana ny vahoaka. Mijanona ho tsaho, araka izany, ny filazana fa hiakatra 9 000 Ariary ny litatry ny solika eto Madagasikara. Ny tale jeneralin’ny Ofisy malagasy misahana ny akoranafo (OMH) koa dia efa nitondra fanazavana momba izany sady nanamafy fa ampy ny tahiry.

Raha ny zava-misy amin’ny tsena iraisam-pirenena amin’izao dia 117 dolara ny vidin’ny iray “baril” amin’ny solika. Any amin’ny faran’ny taona any ho any vao mety ho marin-toerana izy io, araka ny tomban’ny manam-pahaizana.

Ho an’i Madagaisikara manokana, dia ny vidiny nampiharina nanomboka ny volana jona 2019 no notazonina hatramin’izao. Ezaka lehibe nitsinjovana ny mpanjifa manerana ny Nosy izy io, hoy ny fanazavana; ary mety tsy ho zakan’ny malagasy raha “vérité de prix” no nampiharina satria mety hidangana tampoka rehefa miakatra ny vidiny amin’ny tsena iraisam-pirenena. Na dia nisy aza ny fidinan’ny solika teo amin’ny tsena iraisam-pirenena tamin’ny fotoan’ny Covid-19, izay nisy fotoana tafidina hatrany amin’ny 20 dola /baril, dia notazomina io vidiny eto Madagasikara io ho fanarenana ny trosan’ny kompania tamin’ny Fanjakana malagasy. Nahafahana nanentsina ny elanelana nisy io fidinan’ny vidin-tsolika io.

Samy manamafy ny tomponandraikitra isan-tokony fa tsy azo ihodivirana ny fIakarana noho ny toe-javatra amin’ny ady eo amin’i Rosia sy Ukraine.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer