A la une

Filoha Andry Rajoelina any Mahajanga : niatomboka tamin’ny fitokanana fotodrafitrasa ny fidinana ifotony

Tao Amborovy, izay mianavaratra atsinanan’ny renivohitr’i Boeny no nisantaran’ny Filoham-pirenena Rajoelina Andry ny fidinana ifotony ity, nanomboka ny maraina teo. Nitokana avy hatrany ny Lycée Manara-penitra ao an-toerana (Amborovy, Mahajanga).
Miisa 931 ireo sekoly manara-penitra vita miampy ireo an-dalam-pahavitana amin’ity taona ity hoy ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle. Miorina ao amin’ny faritra Boeny ny 15 amin’izany ary 5 ao Mahajanga. Nomarihin’ny minisitra miadidy ny fanabeazam-pirenena koa fa mitotaly valo hetsy ny ankizy misitraka sakafo any an-tsekoly araka ny politika fanohanana ny ray aman-drenin’ny mpianatra sahirana ary koa famporisihana ny ankizy, izay apetraky ny fitondram-panjakana.
Nitohy tamin’ ny fanokanana ny birao vaovao an’ny Birao nasionaly misahana ny loza voajanahary ny fotoana (BNGRC). Taorian’izay dia nihazo ny Oniversite eny Ambondrona, nametrahana trano fanampiny fonenan’ny mpianatra.
Maro ny foto-drafitrasa hotokanana mandritra ny fidinan’ny Filoha any Mahajanga ity, ao koa ny fizarana ny kara-tany.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer