Fitrandrahana volamena Betsiaka Ambilobe :  tsy nitondra fampandrosoana ny volamena 900 taonina efa azo nandritra ny 20 taona

  • 19 juillet 2022

Mahatratra 894,3 Taonina ny volamena nivoaka tao Betsiaka, kaominina Ambilobe, faritra Diana tao anatin’ny 22 taona (2000-2022) nisian’ny fitrandrahana, hoy ny filohan’ny komity mpampihatra ny DINA , Razafy Tsimiovalaza Richard. Tsy hita taratra amin’ny fampandrosoana ny kaominina anefa izany hatramin’izao. Tsy ampy ny fanaraha-maso; tsy manao fanambarana ny olona nahazo ny volamena; maro ny mpividy volamena tsy ara-dalàna, ka tsy mampiditra ny tamberim-bidy amin’ny kaominina sy ny faritra; tsy misy ny mangarahara ahafahana manaraka ny fivoahan’ny volamena (tracabilité). Ireo no voalaza fa antony tsy mampisy fiantraikanany amin’ny kaominina ny fisian’ny volamana ao Betsiaka.

Orinasa mpividy volamena, amin’ny sokajy faharoa, antsoina hoe Madagold, iray monja no fantatra fa ara-dalàna ao an-toerana. 25 amin’ny mpanangom-bokatra 200 no manana taratasy ara-panjakana, hoy ny ben’ny tanàn’ny kaominina Ambilobe.

Nandraisana fepetra vaovao

Mba hahafahana mamadika izany ho fampandrosoana dia nisy ny fivoriana natao tao Ambilobe omaly, nandraisana fepetra vaovao araka ny lalàna. Hametrahana “guichet unique” any an-toerana mba hanamora ny fampanarahan-dalàna; hoentanina ny mpitrandraka sy mpividy mba hiditra amin’ny sehatra ra-dalàna; hamafisina ny fanaraha-maso amin’ny fivoahan’ny vokatra, araka ny fehin-kevitra nivoaka tamin’io fivoriana io.

Ny tomponandraikitra avy amin’ny ANOR Ambilobe no miantoka ny fanaraha-maso ny fanatanterahana izany, miaraka amin’ny sampan-draharahan’ny Harena an-kibon’ny tany sy ny Loharanon-karena stratejika. Mbola hisy koa ny fidinan’ny tomponandraikitra eny an-kianja hanazavana ireo fepetra ireo. Ho hentitra ny fampiharana izany, hoy ny talen’ny kabinetran’ny faritra Diana.

Partagez :
Mahandry