A la une

Hetsiky ny mpanohitra : “tsy fotoanan’ny korontana izao ary tsy izany no tadiavin’ny vahoaka Malagasy”

Hetsika tanterahina ny mpanohitra : krizy ara-toekarena no misy saingy vahaolana politika amin’ny fizaran-tseza no aroson’ny mpanohitra hoy ny nambaran’ny minisitra Lalatiana Andriatongarivo io tolakandro io, tanatin’ny fandaharana Tsy ho tompontrano mihono, mandeha isaky ny zoma ao amin’ny onjam-peom-pirenena, RNM.

“Tsy fotoanan’ny korontana izao, ary mino aho fa tsy izany no tadiavin’ny vahoaka Malagasy” hoy ny fanamarihan’ity Mpitondra tenin’ny governemanta ity. Mila vahaolana amin’ny tontolon’ny toekarena sy ny sosialy i Madagasikara, toy ireo firenena manerantany ankehitriny izay samy misedra ny vokatry ny fifanolanana amin’ireo firenena matanjaka sady mpifehy ny toekarena.

Tsy olana ny fihaonan’ny mpanao politika an-databatra boribory, ary zo fototra voarakitra ao amin’ny Lalàmpanorenana izany raha ny fanazavany ; saingy ny dinika politika mifono fizaràn-tseza na tetezamita na fandravana andrimpanjakana eto amin’ny Repoblika, kotrehin’ny mpanohitra amin’izao tsy azo ekena. Hanamafy trotraka ny fahasahiranam-bahoaka ny fihantsiana sy famoronana korontana hoy hatrany ramatoa minisitra miandraikitra ny Serasera sy ny Kolotsaina.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer