Hiditra ao Soanierana Ivongo amin’ny 2 ora ny rivodoza Dumako

  • 15 février 2022

Tombanana hiditra ao Soanierana Ivongo amin’ny 2 ora hariva ny foiben’ny rivodoza Dumako.

Tamin’ny 12 ora antoandro teo no efa tao Sainte Marie ny masony, hoy ny sampana mpamantatra ny toetrandro. Mijanona ho “tempête tropicale modérée” ny tanjany, mitondra rivotra 65km/ora, arahana tafiotra 90km/ora.

Mikisaka miankandrefana hatrany ny diany, mahafaka 20km/ora. Mihamihena ny heriny rehefa tafiditra an-tanety, araka ny fanazavan’ny teknisianin’ny sampana mpamantatra ny toetrandro. Hitombo kosa ny rotsak’orana.

Partagez :
Mahandry