IniM : hipaka any amin’ny fotony ny tombotsoa azo avy amin’ny fikirakirana zava-maniry fakana singa natoraly

  • 17 juin 2022

Nodinihina nandritra ny Kongresy IniM na  »Innovative Natural Ingredients Madagascar » ny fandrindrana ny tombotsoa azo avy amin’ny fanomezan-danja ny zavamaniry. Teo koa ny fahalalana netim-paharazana amin’ny fampiasana zava-maniry.

Peut être une image de 9 personnes et plein airKendrena ny ahafahana manodina ireo zava-maniry ho lasa fanafody sy akora azo ampiasaina andavanandro. Eo koa ny ahafahana mitantana maharitra ny zava-maniry eto amintsika. Jerena manokana amin’izany ny tombotsoan’ireo olona eny ifotony izay manangona sy manodina azy ireny. Natao indrindra mba hampifandraisana mivantana ireo mpandraharaha malagasy misehatra amin’ny fanomezan-danja ny zava-maniry sy ny harena voajanahary azo havaozina ny IniM.

Anisan’izany ireo mpamboly, ireo mpanangom-bokatra, ireo mpanodina ny vokatra, ireo mpamokatra ary ireo mpanondrana ny vokatra any ivelany, miaraka amin’ireo orinasa iraisam-pirenena manjifa akora fototra natoraly avy eto Madagasikara. Natao teto Antananarivo mandritra ny roa andro ny kongresy.

Partagez :
Mahandry