Culture

“Ny niandohan’i Madagasikara” : nivoaka tamin’ny fomba ofisialy androany tao Mananjary

Nivoaka tamin’ny fomba ofisialy androany, tao Mananjary, faritra Vatovavy, ny boky mitondra ny lohateny hoe ”Ny niandohan’i Madagasikara” notontosain’ny fitaleavana misahana ny Maha Izy ara-Kolontsaina eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.2 taona no nanatontosana ny boky, ary tamin’ny alalan’ny angom-pikarohana isan-karazany no nahafahana namolavola azy.

Amin’ny ankapobeny, miresaka ny mombamomba ny nosy Malagasy sy ny mponina ao aminy, miaraka amin’ireo fomba amam-panao sy ny kolontsaina ao aminy ny boky, ary misy fizarana telo.

Voalohany amin’izany ny fiandohan’ny anarana hoe ”Madagasikara” sy ”Malagasy”. Ny mikasika ny fahatongavan’ny sokajin’olona samihafa teto Madagasikara araka ny vanim-potoana nifandimby kosa ny fizarana faharoa. Ary mirakitra haren-tsaina nolovaina nanehoana ny fiteny, ny fomba fiaina, ny foto-pivelomana, ny fianjaika, ny finoana ary ny fomba amam-panao kosa ny fizarana fahatelo.

Tanjona amin’izany ny hanamafisana ny maha izy antsika malagasy, izay tafiditra ao anatin’ny ”contrat-programme”. Natao ihany koa hanehoana ny hambo-po malagasy sy hampitana fahalalana mikasika ny maha malagasy ary handravana ny hevi-diso mikasika ny fiandohan’ny Malagasy. Tafiditra ao anatin’ny laharam-pahamehan’ny fanjakana ny kolontsaina, noho izy anisan’ny fanoitra amin’ny fampandrosoana.

Ny distrikan’i Mananjary no nosafidiana namoahana ny boky voalohany sy nizarana izany, noho ny fananany harena ara-tantara mifamatotra amin’ny fiavian’ny Malagasy. Hozaraina maimaimpoana ary haparitaka eny amin’ny sekoly ambaratonga voalohany, miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana ny boky.

Hisy ihany koa eny amin’ny trano famakiam-boky isan-karazany, ary afaka mijery sy mamaky izany ny tsirairay. ”Ny kolontsaina no mamaritra ny maha izy azy ny vahoaka iray”, hoy ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Andriatongarivo Lalatiana, nandritra ny lahateny nataony androany.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer