Social

Polio : Tsara ny mamerimberina ny vaksiny mba hanamafy ny hery fiarovana

Tsy misy voan’ny Polio eto Antananarivo hatramin’izay fa fanarahamaso no atao hoy I Dokotera Ramparaoelina Aina. Hisy noho izany ny fanentanana fanaovana vaksiny hiadiana amin’ny polio andininy voalohany eto Antananarivo sy manerana an’i Madagasikara ny 7,8, 9 Jolay ho avy izao.

“Tsara foana ny mamerimberina ny vaksiny mba hanamafy ny hery fiarovana. Anisan’ny mety hahazoana ny aretina lefankozatra ny loto azo avy amin’ny tay. Izany indrindra no hanentanana ny tsirairay hitandro hatrany ny fahadiovana” hoy hatrany ity mpitsabo ity.

Antony hanaovana fanentanana amin’ny fanaovana ny vaksiny hiadiana amin’ny Polio ny fanaovan’ny eo anivon’ny “ institut Pasteur” fanarahamaso ny fahadiovan’ny rano. Ohatra amin’izany ny rano miangona izay mety ahitana otrikaretina mety hiteraka lefankozatra.

Natao ho an’ny zaza vao teraka hatramin’ny 59 volana ny vaksiny. Kendrena hisitraka izany avokoa ny 95 isan-jaton’ny zaza vao teraka. Afaka mandray io vaksiny io avokoa ny zaza rehetra eny na dia vao herinandro lasa aza izy no nahazo izany. Hahatratra 744 ny ekipa hiantsehatra amin’ny fanolorana ny vaksiny mandritra io telo andro io ho an’Antananarivo manokana. Hiparitaka eny amin’ny toerana be olona toy ny tsena ny tomponandraikitra. Hisy fizarana io vaksiny io avokoa manerana ny CSBII rehetra.

Sary : Unicef

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer