Social

“Rocade” Soamanandrariny sy Ambohimahitsy : manjaka  ny  halatra jiro sy vy

Miisa 12 amin’ireo jiro 50 napetraka teny amoron’ny lalana “rocade” manakaiky ny fokontany Soamanandrariny no very tao anatin’ny telo volana, raha ny nambaran’ny filohan’ny fokontany Soamanandrariny, Andrianjafindralahatra Léon,  ka ankoatra ny andrimasom-pokonolona dia mangataka ny hametrahana mpitandro ny filaminana “poste fixe” eny an-toerana ny tenany. Ho an’ny “rocade” manamorona ny fokontany Ambohimahitsy kosa dia ny fahaverezana vy manodidina ny lalana no misy, raha ny nambaran’ny filohan’ny fokontany, Rakotondrasoa jean Yves.

Izany no tatitra nataon’izy ireo nandritra ny fandalovan’ny Minisitry ny Fanajariana ny tany, Ramaholimasy  Holder tany an-toerana izay nirarika ny hetsika fanentanana ny mponina manodidina amin’ny fiarovana ny tontolo iainana, ny fanajariana ny tany ny sy fanajana ny fananana iombonana.

Androany dia nisy ny fambolen-kazo teny amin’iny faritra iny izay niarahan’ny minisiteran’ny Fanajariana ny tany, ny minisiteran’ny asa vaventy ary ny AFD nisalahy.” Ny rehetra no tomponandraikitra amin’ny fikojakojana ny foto-drafitrasa sy ny fiarovana ny tontolo iainana, mila mifanentana sy mifananatra ny tsirairairay “, hoy ny minisitra nandritry ny fandraisam-piteneny.

Notolorana fitaovana ahafahana mikojakoja ny lalana sy ny hazo novolena teny an-toerana ihany koa ny fokontany rehetra manodidina, toy ny fokontany Ambohimahitsy, Amboditsiry, Amoronakona, Ankerana, Ambatomaro

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer