Social

Trano mora Fianaranatsoa: mitohy ny fisoratana anarana

Manana hatramin’ny 20 aogositra 2022 izao izay maniry hisoratra anarana amin’ny fahazoana trano fonenana ao amin’ny « Building mora » ao Fianarantsoa. Ny efitrano 15 efa vita ao amin’ny « R+4 cité Soa I Ampasambazaha, ambadiky ny Gae, no hozaraina amin’izany.

Vidina amin’ny alalan’ny hofany 600 000 Ariary hatramin’ny 800 000 Ariary, aloa ao anatin’ny 15 hatramin’ny 20 taona ireo trano fonenana ireo, arakaraka ny haben’ny efi-trano safidina sy ny fifanarahana amin’ny banky. Afaka misoratra anarana avokoa na ny mpiasam-panjakana, na mpiasa amin’ny sehatra tsy miankina, na mpiasa tena, feno 28 hatramin’ny 45 taona. Misy fepetra manokana, ho an’izay tsy tafiditra amin’io salan-taona io.

Misokatra ny varavarana fisoratana anarana ho an’ny rahampitso alatsinainy 15 aogositra,izayandro tsy fiasana.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer