Trano Sary Ambohidahy : mampiranty ny niandohan’ny malagasy

  • 14 juin 2022

Aranty manomboka androany 14 jona ka hatramin’ny 14 jolay, eny amin’ny Trano Sary Ambohidahy, ny niandohan’ny Malagasy.

Mifototra amina lohahevitra telo izany: ny finoana, ny fiteny sy ny fomba amam-panao. Ankoatra ny boky, hita amin’ny fampirantiana koa ny tantara mirakitra ny kolontsaina malagasy isan-karazany. Isan’izany ny fampiasana zava-maneno manan-kasina toy ny valiha sy ny sodina. Tombony amin’ity fampirantiana ity ny fampahafantarana ireo angom-pikarohana momba ny tahan’ny karazan-tarazo ao amin’ny ran’ny malagasy. Azo jerena, maimaimpoana, ao avokoa ireo tahirin-kevitra rehetra mikasika ny fiandohan’ny Malagasy

Kendrena amin’izany ny ahafahan’ny mpianatra mahafantatra misimisy kokoa mikasika ny tantaram-pireneny sy kolontsainy, hoy ny talen’ny Maha izy ara-kolontsaina, Rakotomavo Tsikimilamina. Nambarany fa  »tsy tokony hionona amin’ny lesona any an-tsekoly ny mpianatra ». Anisany tanjona ny handravana ny hevi-diso rehetra mampisara-bazana mikasika ny fiandohan’ny Malagasy. Eo koa ny fampitana ny tantara amin’ny taranaka, sy ho fandravonana ny kolontsaina marolafy miparitaka.

Tsiahivina fa ny 7 oktobra 2021 teo no nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny boky  »Ny niandohan’ny Malagasy ». Tohizana amin’ny alalan’ny fampirantiana ny fampahafantarana ny tantaran’ny malagasy. Vokatry ny angom-pikarohana nataon’ny fitaleavana misahana ny Maha izy ara-kolontsaina eo anivon’ny minisitera izany. Tafiditra indrindra ao anatin’ny tanjon’ny fanjakana ny fanamafisana ny maha izy ara-kolontsaina. Anton’ny hisian’ny fitaleavana manokana misahana izany, eo anivon’ny minisiteran’ny Serasera sy ny Kolontsaina.

Partagez :
Mahandry