Sport

Tsipy kanetibe “Coupe de Madagascar 2022” : eny Ampitatafika ny fotoana

Tanterahana ny 13-14-15 aogositra eny amin’ny boulodrome Ampitatafika ny ” Coupe de Madagascar” amin’ny taranja ara-panatanjahatena tsipy kanetibe raha ny fanambarana nataon’ny teo anivon’ny federasiona ny tsipy katenibe androany 4 aogositra.

Ahitana ny sokajy ” Senior” lahy sy vavy, “Junior” ary Vétéran” misy ny fandraisan’anjaran’ny mpilalao. Loka maro no hatolotra ny mpandresy. Ho an’ny sokajy lehilahy, ho tolorana , amboara, medaly, ny 15% ny fahazoandalana ary 4 tapitrisa ariary. Ho an’ny sokajy vehivavy kosa dia hotolorana amboara , medaly , 15% ny fahazoandalana, 4 tapitrisa ariary ny mibata ny laharana voalohany.

Ireo rehetra ireo izay miampy loka avy amin’ny Telma m’balik toy ny “goodies” sy fahana mitety 500.000 ariary. Heverina hahatratra 200 mihoatra ny mpandray anjara. Tsy misy sivana fa kosa mila manana fahazoandalana avy amin’ny kilioba iray ny mpandray anjara.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer