VIH/SIDA : Vinavinaina manodidina ny 42 000 ny olona mitondra ny tsimokaretina eto Madagasikara

  • 3 août 2022

0,3% na 42 000 no isan’ny olona izay heverina fa mitondra ny tsimokaretina VIH/SIDA eto Madagasikara, araky ny voalazan’ny tonia mpanatanteraka ny ady amin’ny Sida eto madagasikara, Jasminah Rasoanarivo Araka izany dia mbola voasokajy ho isan’ny firenana manana taha ambany amin’ny olona mitondra io aretina vokatry ny fiarisana aranofo io i Madagasikara, raha mitaha ny firenena Afrikanina izay ahitana taha maherin’ny 45%.

Ambony kosa ny taha raha eo amin’ny vondron’olona marefo, toy ny lehilehy miaraka amin’ny lehilahy izay mitotaly 15%, ny mpampanofa tena izay mahatratra 5% ary ny mpitsindrona zava-madomelona 7%. Manodidina ny 9 000 amin’ireo 42 000 novinavinaina hatreto no voarahara-maso akaiky ny fahasalamany izay ahitana zaza vao teraka sy reny bevoka. Ny ambiny kosa mbola tsy mahafantatra ny toe-tenany ka miely any anaty fiaraha-monina. Manoloana izany indrindra dia ao anaty paikady ny fidinana hifotony hataon’ireo mpanabe ara-tsahala, hitadiavana ireo olona ireo sy ny mifanerasera aminy akaiky.

Efa miroso amin’ny fanandramana ny fanampariahana ny “auto-test” ihany koa mba hahafahan’ny olona mitily ny tenany sy miroso amin’ny fitsaboana tena avy hatrany. Eo amin’ny lafiny fitiliana dia 500 000 isan-taona no vita ka olona miisa 2190 no voamarina fa mitondra ny tsimokaretina ny taona 2021. Any amin’ny distrikan’I Mahajanga, Diego ary Toamasina no tena ahitana betsaka indrindra amin’ny fitiliana miabo. Tsy mahafaty ny aretina raha voatily mialoha sy voatsabo tsara, raha ny nambarany hatrany.

Noho ny valanaretina Covid-19 dia nihena ny famatsiam-bola azo amin’ny ady amin’ny tsimokaretina VIH/SIDA. Na izany aza dia mbola manana fanafody maimaimpoana mahenika tsara ny olona voan’ny VIH/SIDA i Madagasikara.

Partagez :
Mahandry