Culture

WAWA : notolorana mari-boninahitra

Notolorana mari-boninahitra roa omaly Alakamisy 4 Aogositra 2022 i Andriamahazo Joel Issoubaly fantatsika amin’ny anarana maha-mpanakanto hoe WAWA, dia ny mari-boninahi-pirenena Commandeur de l’Ordre National Malagasy sy ny mari-boninahitra Commandeur de l’Ordre des Arts, des Lettres et de la Culture. Nanolotra izany tamin’ny anaran’ny Filohan’ny Repoblika ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Andriatongarivo Lalatiana nandritra ny Festival Sômarôho andiany faha-9.Aucune description disponible.

I Wawa dia mpanakanto tsy zoviana amintsika nitondra avo ny kanto Malagasy, mpanakanto feno mamiratra amin’ny sehatra ataony satria sady mpihira, mpamoron-kira, mpitendry mozika ary mpikarakara lanonana, izy no angady nananana sy vy nahitana ny Festival Sômarôho.

Articles similaires

Laisser un commentaire

Fermer